# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mamarana ny fanoharana momba ilay tompon-tany nanakarama mpiasa i Jesosy. # Tsy manan-jo hanao araka izay tiako amin'izay ahy ve aho? Mampiasa fanontaniana ilay tompon-tany mba hibedesana ireo mpiasa izay nitaraina. DH: "Afaka manao izay tiako amin'ny fananako manokana aho" # Sa mialona ve ianareo satria malala-tanana aho? Mampiasa fanontaniana ilay tompon-tany mba hibedesana ireo mpiasa izay nitaraina. DH: "Aza mialona hoe malala-tanana amin'ny olona hafa aho" # Ka ny farany dia ho voalohany, ary ny voalohany ho farany Mampitaha izao vanin'ando ankehitriny izao amin'ny vanin'andro ho avy i Jesosy. Ireo izay lehibe ankehitriny, dia ho raisin'Andriamanitra ho tsy misy dikany rehefa mametraka ny fanjakany eto an-tany Izy. Ireo izay toa tsy manan-danja ankehitriny, dia ho raisin'Andriamanitra ho toy ny lehibe rehefa mametraka ny fanjakany Izy. Jereo ny fomba nandikanao ny teny mitovy amin'izay ao amin'ny 19:29. # Ka ny farany dia ho voalohany Eto dia efa tapitra ilay fanoharana ary miresaka i Jesosy. DH: "Avy eo Jesosy niteny hoe: 'koa ny farany ho voalohany'"