# ireo izay navela Azo atao hoe DH: "Izy navelan'Andriamanitra'' na "izay nataon'Andriamanitra afaka" # Fa misy ireo ionoka izay efa toy izany hatrany an-kibon-drenin'izy ireo Azonao azavaina kokoa io. DH: "Fa misy antony maro tsy hanambadian'ny lehilahy. Misy ohatra, lehilahy izy teraka ionoka" # ary misy ireo ionoka izay nataon'olombelona Azo atao hoe DH: "Misy lehilahy ixay nataon'ny olon-kafa ho ionoka" # ireo ionoka izay manao ny tenan'izy ireo ho ionoka Ireo mety ho heviny dia 1) "Lehilahy izay nanao ny tenany ho ionoka tamin'ny nanapahany ny fitaovam-pananahany" na 2) "lehilahy izay misafidy ny hijanona ho mpitovo ary madio." # nohon'ny fanjakan'ny lanitra Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "mba hahafahan'izy ireo manompo an'Andriamanitsika izy any an-danitra tsara kokoa" # mandray izany fampianarana izany ... handray izany "manaiky izany fampianarana izany ... hanaiky izany"