# izahay Ny "izahay" eto dia manondro ireo miteny fa tsy ireo mihaino. # Maninona no tsy nahavita namoaka an'iny izahay? "Fa maninona no tsy nahavita namoaka ilay demony tamin'ilay zazalahy izahay?" # Fa lazaiko marina aminareo "Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io. # raha manana finoana na dia kely toy ny voatsinampy aza ianareo Mampitaha ny haben'ny vaotsinampy amin'ny haben'ny finoana ilaina hanaovana fahagagana i Jesosy. Kely dia kely ny voatsinampy, saingy mitombo ho hazo lehibe izany. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia kely ny fianoana takiana mba hanaovana fahagagana lehibe. # tsy hisy na inona na inona tsy ho hainareo atao Azo atao hoe DH: "ho afaka ny hanao ny zavatra rehetra ianareo"