# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mamaritra ny fanjakan'ny lanitra amin'ny filazana fanoharana momba ny vokatry ny lalivay eo amin'ny lafarinina i Jesosy. # Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny lalivay Tsy ny lalivay no toy ny fanjakana, fa ny fiparitahan'ny fanjakana no tahaka ny fiparitahan'ny lalivay. # Ny fanjakan'ny lanitra dia toy Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "Rehefa miseho tahaka ny mpanjaka ny Andriamanintsika, dia ho toy." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 13:24. # lafarinina intelo famarana Ataovy hoe "lafarinina be dia be" na mampiasà teny izay ampisaina mahalaza ny famarana lafarinina be dia be ao amin'ny faritrao. # andra-piakatry ny foto-koba manontolo Ny hevitra tiana ampitaina dia hoe nafangaro ho foto-koba iray ny lalivay sy ny lafarinina intelo famarana mba hatao mofo.