# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny" Manazava amin'ireo mpianany hoe nahoana no mampianatra amin'ny alalan'ny fanoharana i Jesosy. # azy ireo Eto ny "azy ireo" dia manondro ireo mpianatra. # Ianareo no nomena tombony hahafantatra ireo zava-miafin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ho azy ireo dia tsy nomena izany Azo adika hoe DH: "Nomen'Andriamanitra tombony hahalala ny misiterin'ny fanjakan'ny lanitra ianareo, saingy tsy nomen'Andriamanitra ireo olona ireo izany" na "Nataon'Andriamanitra afaka ny hahalala ny misiterin'ny fanjakan'ny lanitra ianareo, saingy tsy nataony afaka hanao izany ireo olona ireo" # Ianareo Manondro ireo mpianatra io. # zava-miafin'ny fanjakan'ny lanitra Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "ireo tsiambaratelo momba ny Andriamanintsika any an-danitra sy ny fanapahany" # na iza na iza manana "Na iza na iza manana fahalalana" na "na iza na iza mandray izay ampianariko" # ho be kokoa aza no homena Azo adika hoe DH: "Andriamanitra hanome azy fahalalana bebe kokoa" # na iza na iza kosa tsy manana "na iza na iza tsy manana fahalalana" na "na iza na iza tsy mandray izay ampianariko" # na izay hananany aza ho esorina aminy Azo atao hoe DH: "Halain'Andriamanitra aminy na izay hananany aza"