# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mamaritra ny Fanjakan'ny lanitra amin'ny alalan'ny filazana fanoharana momba ny olona iray izay mamafy voa i Jesosy. # tamin'izy ireo "tamin'ireo vahoaka" # Indro "Jereo" na "Henoy." Misintona ny saina ny amin'izay ho lazaina manaraka io teny io. DH: "Tandremo tsara ny zavatra izay ho lazaiko aminareo" # nisy mpamboly iray nandeha nivoaka hamafy voa "nisy mpamboly iray nandeha nivoaka hamafy voa teny an-tsaha" # Raha izy namafy iny "Raha namafy ieo voa iny ilay mpamboly" # teny amoron-dalana Maneho "lalana" eo akaikin'ilay saha io. Tokony ho mafy be ny tany teo noho ireo olona manitsakitsaka izany. # nandrapaka ireo "nihinana ireo voa rehetra" # tany be vato Io dia tany feno vato izay manify kely ny nofon-tany eo ambony. # Avy hatrany dia naniry ireo "Nitimoka haingana ireo voa ary naniry" # maina ireo Azo atao hoe DH: "nandoro ireo voa ny masoandro, ary lasa nahamay loatra ireo" # dia nalazo Azo adika hoe DH: "Lasa maina ary maty ilay voa"