# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mamaly ireo fariseo i Jesosy. # Kanefa raha Eto ny hoe "raha" dia tsy midika fa mametra-panontaniana momba ny fandroahany demonia i Jesosy. Eto dia mampiasa izany teny izany i Jesosy mba hampidirana filazana marina. DH: "Saingy, satria ... Aho" # dia efa tonga aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra Eto ny "fanjakana" dia maneho ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha mpanjaka Azy. DH: "midika izany fa mametraka ny fanapahany eo aminareo Andriamanitra" # tonga aminareo manondro ireo vahoakan'Israely ny hoe "-nareo" eto. # Amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny olona miditra ao an- tranon'ny ... fananany Mampiasa fanoharana i Jesosy mba hanohizana ny famaliany ireo Fariseo. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia afaka mandroaka demonia Izy satria mahery noho i Satana. # Amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny olona miditra ... tsy hafatotra aloha ilay lehilahy mahery? Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ireo Fariseo sy ireo vahoaka. DH: "Tsy misy afaka miditra ... raha tsy mamatotra ilahy lehilahy mahery aloha" na "Raha te hiditra ... dia tsy maintsy mamatotra ilay lehilahy mahery aloha izy" # raha tsy hafatotra aloha ilay lehilahy mahery? "raha tsy mifehy ilay lehilahy mahery" # Avy eo haka ireo fananany "Avy eo dia afaka mangalatra" na "Avy dia ho afaka ny hangalatra" # tsy momba Ahy "izay tsy manohana Ahy" na "izay tsy miara-miasa amiko" # manohitra Ahy "izay miasa anohitra Ahy" # tsy mitambatra miaraka Amiko dia miparitaka Mampaisa Sarin-teny i Jesosy mba hilazana olona iray dia managona andian'ondry ho any amin'ny mpiandry ondry, na manaparitaka azy ireo lavitry ny mpiandry. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia hoe: ny olona iray dia manampy mba hahatonga ny olona ho mpianatr'i Jesosy, na manao izay handavan'ny olona Azy.