# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy milaza ny tenin'Isaia i Matio. # ary tsy hisy olona handre ny feony Eto ny "feo" dia manondro ilay olona manontolo. DH: "Ary tsy hiteny mafy izy" # eny an-dalàna Fomba fiteny izay midika hoe "ampahibemaso" io. DH: "ireo tanàna sy vohitra" # Tsy hanapaka ny volotara torotoro izy; tsy hamono izay lahin-jiro manentona Samy mitovy hevitra ireo teny roa ireo. Ireo dia sarin-teny manamafy fa ho malemy fanahy sy tso-po ilay mpanompon'Andriamanitra. Ny "volotara torotoro" sy "lahin-jiro manentona" dia samy maneho olona kely hery sy maratra fo. Raha mampifangaro be io sarin-teny io dia afaka adikanao aminy heviny ara-bakiteny io. DH: "ho malemy fanahy amin'ireo olona kely hery Izy, ary ho tso-po amin'ireo izay maratra fo" # volotara torotoro "hazo potika" # lahin-jiro manentona Maneho ny lahin-jiro raha vao maty ny afo ka manetroka io. # mandra-panaony Azo adika hoe DH: "Izany no hataony mandra-..." # mandra-panaony ny rariny ho fandresena "mandra-pahatanterany ny fitondrana ny rariny sy famonjena eo amin'ny olona." Ny teny hoe "rariny" dia azo adika hoe "marina" na "mamonjy." DH: "fantatry ny olona fa marina Aho, ary hamonjy azy ireo Aho" # anarany Eto ny "anarana" dia manondro ilay olona manontolo. DH: "aminy"