# Fampifandraisana ny foto-kevitra Eto i Matio dia manambara ny tenin'Isaia mba hampiseho fa nahatanteraka ny faminaniana ny asa fanompoan'i Jesosy. # Jereo Nampiasa io teny io Andriamanitra mba hampafantarana olona vaovao. # ny mpanompoko izay nofidiko Ny mpisolotena tampisaka "-ko" rehetra dia manondro an'Andriamanitra. Milaza ny tenin'Andriamanitra i Isaia. # izay sitrakin'ny fanahiko indrindra Eto ny hoe "fanahy" dia manondro ilay olona manontolo. DH: "Sitrako indrindra Izy" # ary ... Izy "ary ny mpanompoko" # hanambara ny fitsaràna Eto ny "fitsarana" dia tsy midika hoe "famaizana." Ny dikan'io dia hoe hilaza amin'ireo Jentilisa ilay mpanompo fa marina Andriamanitra, ary hamonjy azy ireo Izy.