# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mamaly ireo Fariseo i Jesosy. # Tsy mbola novakinareo va ny ao amin'ny lalàna ... nefa tsy manan-tsiny Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hamaliana ny fanankianan'ireo Fariseo. Mampitandrina azy ireo mba hihevitra ny dikan'ireo soratra masina izay novakian'izy ireo i Jesosy. DH: "Ary, efa novakianareo tao amin'ny lalàn'i Mosesy ny momba ny ... nefa tsy manan-tsiny" # manota ny Sabata "manao amin'ny andro Sabata izay ataon'izy ireo amin'ny andro hafa" # tsy manan-tsiny "Tsy hanasazy azy ireo Andriamanitra" na "Tsy raisin'Andriamanitra ho meloka izy ireo" # lazaiko aminareo Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io. # iray lehibe noho ny tempoly "olona iray izay manan-danja noho ny tempoly." Ilay iray izay lehibe kokoa dia nilazan'i Jesosy ny tenany.