# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mamarana ny firesahany amin'ny vahoaka i Jesosy. # izay miasa sy mitondra mavesatra I Jesosy dia miresaka amin'ireo olona toy ny hoe biby, izay hampilanjain'ny tompony vesatra be loatra ao an-damosina izy ireo. Sarin-teny ilazana ireo lalàna sy fitsipika andrasan'ireo mpitarika Jiosy ho ankatoavin'ny olona io. DH: "izay miasa ao ambanin'ny lalàna apetrak'ireo mpitarika fivavahana aminareo" # omeko fitsaharana ianareo "hamela anareo hitsahatra amin'ny asa sy vesatrareo Aho" # Ento ny ziogako Manohy mampiasa sarin-teny i Jesosy. Manasa ny olona ho lasa mpianany sy hanaraka Azy i Jesosy. # malemy fanahy sy manetry tena am-po Aho Eto ny hoe "malemy fanahy" sy "manetry tena am-po" dia mitovitovy hevitra ihany. Afangaron'i Jesosy ireo roa ireo mba hanamafisana fa ho tsara fanahy lavitra noho ireo mpitarika fivavahana i Jesosy. # manetry tena am-po Aho Fomba fiteny izay midika hoe "manetry tena" io. # hahita fitsaharana ho an'ireo fanahinareo ianareo Eto ny "fanahy" dia manondro ny maha-olona manontolo. DH: "hahita fitsaharana ho an'ny tenanareo ianareo" na "afaka ny hitsahatra ianareo" # Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako Samy mitovy hevitra ireo fehezanteny anankiroa ireo. Tsindrian'i Jesosy fa mora kokoa ny mankatoa Azy noho ireo lalàn'ny Jiosy. DH: "Fa izay apetrako eo aminareo, dia ho afaka ny hilanja azy ianareo satria maivana izany" # maivana ny entako Ny teny hoe "maivana" eto dia mifanohitra amin'ny mavesatra.