# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity no manomboka ny tantaran'i Jesosy mamelona ny zanaky ny manam-pahefana Jiosy indray taorian'ny nahafatesany. # ireo zavatra ireo Maneho ny valin-teny nomen'i Jesosy ireo mpianatr'i Jaona momba ny fifadian-kanina izany. # indro Ny teny hoe "indro" dia manaitra ny saintsika fa misy olom-baovao ao amin'ny tantara. Mety manana fomba hanaovana izany ny fiteninao. # niankohoka teo aminy Fomba hanehoan'ny olona iray fanajana tamin'ny kolotsain'ny Jiosy izany. # tongava ary apetraho eo aminy ny tananao, dia ho velona izy Midika izany fa ilay manam-pahefana Jiosy dia nino fa nanana fahefana hamelona ny zanany vavy indray i Jesosy. # ireo mpianany "ireo mpianatr'i Jesosy''