# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Niseho tao an-tranon'i Matio mpamory hetra ireto tantara ireto. # Rehefa nandre izany Jesosy Eto ny hoe "izany" dia maneho ny fanontaniana napetrak'ireo Fariseo momba an'i Jesosy nihinana niaraka tamin'ny mpamory hetra sy ny mpanota. # Ny olona matanjaka ara-batana dia tsy mila mpitsabo, fa ireo izay marary ihany Mamaly amin'ny alalan'ny ohabolana i Jesosy. Ny tiany ho lazaina dia miara-mihinana amin'ireo karazan'olona ireo Izy satria tonga mba hanampy ny mpanota. # olona matanjaka ara-batana "Olona salama'' # mpitsabo "dokotera" (UDB) # ireo izay marary Ny teny hoe "mila mpitsabo" dia efa fantatra. DH: "ireo olona marary no mila mpitsabo" # Tokony mandeha mianatra ianareo ny dikan'ny hoe Hilaza ny teny ao amin'ny soratra masina i Jesosy. DH: "Tokony hianatra ny hevitr'ilay lazain'Andriamanitra ao amin'ny soratra masina ianareo" # Tokony mandeha ... ianareo Manondro ireo Fariseo eto ny noe "ianareo." # Famindram-po no iriako fa tsy sorona Milaza ny nosoratan'i Hosea mpaminany ao amin'ny soratra masina i Jesosy. Eto, ny mpisolotena tampisaka "-ko" dia manondro an'Andriamanitra. # Fa tonga Aho Ny "aho" eto dia manondro an'i Jesosy. # ireo marina Mampiasa eso-teny i Jesosy eto. Tsy mihevitra Izy fa misy olona marina ka tsy mila mibebaka. DH: "ireo izay mihevi-tena ho marina"