# ao ambany tafon-tranoko "ao an-tranoko" # teneno fotsiny ny teny Eto ny "teny" dia manambara didy. DH: "mandidia" # izay napetraka ao ambany fahefana Azo atao hoe DH: "Izay ao ambanin'ny fahefan'olon-kafa" # ao ambany fahefana ... feheziko Ny hoe "ambany" fahefan'ny olona dia midika hoe latsa-danja kokoa ary mankatoa ny baikon'ny olona iray izay manan-danja kokoa. # miaramila "mpiady mahay" # Lazaiko marina aminareo "Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezaneny io. # tsy mbola nahita olona nanam-pinoana toy izany Aho teto Israely Nihevitra ireo mpiaino an'i Jesosy fa ny Jiosy tao Israely, izay milaza fa zanak'Andriamanitra, dia manana finoana lehibe nohon'ny olon-drehetra. Manambara i Jesosy fa diso fihevitra izy ireo ary ny finoan'ilay kapiteny dia lehibe kokoa.