# Fampifandraisana ny foto-kevitra Ity no fiafaran'ny Toriten'i Jesosy teo an-Tendrombohitra, izay niantomboka tao amin'ny toko faha 5:1. # tahaka ny olona adala izay manorina ny tranony eny ambony fasika Manohy mampiasa ilay fanoharana tao amin'ny andininy teo aloha i Jesosy. Mampitaha ireo izay tsy mankatoa ny teniny amin'ny mpanorin-trano adala Izy. Ny adala ihany no hanorina trano eo amina toerana feno fasika izay afaka hoentin'ny orana, riaka, ary rivotra. # nianjera Ampiasao ny teny amin'ny fiteninao izay mamaritra ny zava-mitranga rehefa mianjera ny trano. # ary feno ny faharavany Handrava azy tanteraka ny orana, ny riaka, ary ny rivotra.