# ampisehoy amin'ireo mpisorona ny tenanareo Ny boka dia nangatahina ho hamarinin'ireo mpisorona raha sitrana. DH: ''misehoa amin'ny mpisorona mba handinihana anareo'' # dia nadio Rehefa nositranina ny olona, dia tsy maloto ara-pomba intsony. DH: ''lasa nadio izy ireo rehefa nositranina tamin'ny habokany'' na ''sitrana tamin'ny habokany izy ireo'' # nahita fa sitrana izy ''nahatsapa fa sitrana izy'' na "nahatsapa fa nositranin'i Jesosy izy'' # dia niverina ''niverina tany amin'i Jesosy'' # Niankohoka teo an-tongotr'i Jesosy izy "nandohalika izy ary nampiankohoka ny tavany teo an-tongotr'i Jesosy.'' Nanao izany izy ho fanomezam-boninahitra an'i Jesosy.