# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ity no fizarana manaraky ny tantara. Jesosy mamaly fanontaniana amin'ny fampiasana sariteny momban'ny fidirana ny fanjakan' Andriamanitra. # Jesosy dia nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra tsirairay ... nampianatra azy ireo Ity dia fampahafantarana fototra izay milaza ny nataon'i Jesosy rehefa niseho ity hetsika ity. # moa ve vitsy ny olona no ho vonjena? DH: "Olona vitsy ihany ve no ho vonjen' Andriamanitra?" # Miadia ny hiditra ny varavarana tery ianareo "miasà mafy mba hidirana amin'ilay varavarana tery." Jesosy miresaka momban'ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra toy ny hoe varavarana kely mankao an-trano izany. # varavarana tery Ny zava-misy hoe tery ilay varavarana dia milaza fa sarotra ny fidirana amin'izany. # maro no te-hitsofoka, fa tsy ho afaka ny hiditra Ity dia milaza fa tsy ho afaka ny hiditra izy ireo nohon'ny hasarotan'ny fidirana. Ny andininy manaraka dia manazava ilay fahasarotana.