# Fampifandraisana ny foto-kevitra Jesosy manomboka milaza fanoharana amin'ny olona ao amin'ny synagoga. # Toy ny ahoana ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no afaka hanoharako izany? Jesosy mampiasa fanontaniana roa mba hampidirana izay ho ampianariny. DH: "Lazaiko anareo hoe toy ny ahoana ny fanjakan' Andriamanitra, sy izay afaka ampitahako izany" # inona no afaka hanoharako izany? Ity dia mitovy amin'ilay fanontaniana teo aloha ihany. Ny fiteny sasany dia afaka mampiasa ireo fanontaniana roa, fa ny sasany iray ihany no ampiasainy. # Izany dia toy ny voatsinampy Jesosy mampitaha ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny voatsinampy. DH: "Ny fanjakan' Andriamanitra dia toy ny voatsinampy" # voatsinampy Ny voatsinampy dia voa faran'izay kely izay mitombo lasa zava-maniry be. Raha tsy fantatra izany, dia afaka adika fotsiny amin'ny anarana voa hafa na atao tsotra hoe "voa kely" # nafafy teo an-jaridainany "nambolena teo an-jaridainany." Ny olona dia mamboly karazana voa sasany amin'ny famafazana izany mba hiparitaka eo an-jaridaina. # voron'ny lanitra DH: "vorona manidina eny amin'ny habakabaka" na "vorona"