# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Jesosy manomboka mamaly ny vahoaka. # Ny sasany nitsapa Azy "Nitsapa an'i Jesosy ireo olona hafa." Tian'izy ireo hanaporofo Izy fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany. # ary nitady famantarana avy any an-danitra taminy "nangataka Azy mba hanao famantarana avy any an-danitra." Izany no fomba tian'izy ireo hanaporofoany fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany. # ireo fanjakana rehetra izay mizarazara dia ho rava Ny "fanjakana" eto dia maneho ny olona ao aminy. DH: "Raha miady an-trano ny olona ao amin'ny fanjakana iray, dia hamotika ny fanjakany izy ireo" # ny trano izay mizarazara dia hirodana Eto ny "trano" dia maneho ny fianakaviana. DH: "Raha miady an-trano ny olona ao amin'ny fianakaviana iray, dia handrava ny fiankaviany izy ireo" # hirodana "hianjera ary ho potika." Ity sarisarin'ny trano mirodana ity dia maneho ny fahapotehan'ny fianakaviana iray rehefa miady an-trano ireo mpikambana ao.