# Teo am-pitenenana izany izy "raha niteny ireo zavatra ireo Petera" # natahotra izy ireo Ireo mpianatra efa lehibe ireo dia tsy natahotra rahona. Ity fehezanteny ity dia manondro fa nisy karazan-tahotra sasany tsy mahazatra tonga tamin'izy ireo niaraka tamin'ilay rahona. DH: "raiki-tahotra izy ireo" # niditra tao amin'ilay rahona DH: "nanodidina azy ireo ny rahona" # Nisy feo nivoaka avy tany amin'ilay rahona Mazava fa ilay feo dia tsy an'iza fa an' Andriamanitra. DH: "Andriamanitra niresaka tamin'izy ireo avy tao amin'ilay rahona" # Zanaka Lahiko Ity dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra. # Ilay iray izay voafidy DH: "Ilay iray nosafidiako" na "nosafidiako Izy" # nitazona ny fahanginany izy ireo ary tsy niteny na tamin'iza na iza Ny fehezanteny voalohany dia maneho ny valin-teny avy hatranin'izy ireo, ary ilay faharoa dia maneho izay nataon'izy ireo nandritr'ireo andro manaraka.