# fa tsy takona izy "fa tsy afaka nitazona miafina izay nataony izy." Mety hanampy ny filazana izay nataony. DH: "fa tsy afaka nitazona izany ho tsiambaratelo izy fa hoe izy ilay nikasika an'i Jesosy" # nangovitra izy "nangovitry ny tahotra izy" # niankohoka teo Aminy Ireo dika azo atao: 1) "Nandohalika nanoloana an'i Jesosy izy" na 2) "natory tamin'ny tany teo an-tongotr'i Jesosy izy." Tsy nianjera tsy nahy izy. Ity dia famantarana ny fanetre-tena sy fanajana ho an'i Jesosy. # teo imason'ny "teo amin'ny" na ''teo amin'ny fanatrehan'ny" # Ry zanaka vavy Ity dia karazana fomba firesahana amin'ny vehivavy. Ny fiteninao dia mety manana fomba hafa hampisehoana ity hatsaram-panahy ity. # ny finoanao no nahasitrana anao "nohon'ny finoanao, dia sitrana ianao." Ny "finoana" dia afaka aseho toy ny hetsika. DH: "satria mino ianao, dia sitrana" # mandehana am-piadanana Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "veloma" sady manome tso-drano. DH: "raha iny ianao mandeha iny, dia aza matahotra intsony" na ''Andriamanitra anie hanome fiadanana anao raha iny ianao mandeha iny.''