# Fampifandraisana ny foto-kevitra Nisy Fariseo iray nanasa an'i Jesosy hisakafo ao an-tranony. # Nisy iray tamin'ireo Fariseo Fampahafantarana ny fiantombohan'ny fizarana vaovaon'ny tantara sy mampiditra ireo Fariseo ho ao anaty tantara. # Indro, nizy vehivavy iray Ny teny hoe "indro" dia manaitra antsika amin'ny olona vaovao ao amin'ny tantara. # izay mpanota "izay miaina fiainam-pahotana." Mety ho mpivaro-tena izy. # tavoara alabastara "tavoara vita amin'ny vato malefaka." Ny alabastara dia vato fotsy malefaka. Ny olona dia mitahiry zavatra sarobidy ao anaty tavoara alabastara.