# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Josoa manaraka ny baikon'i Yaveh mba hitondra an'Israely eo anatrehany. # nitondra an'Israely nanakaiky Ny fehezanteny "isam-poko" dia midika foko tsirairay. D.H: "nitondra ny fokon'Israely tsirairay nanakaiky" # voasafidy ny fokon'i Joda D.H: "Yaveh nisafidy ny fokon'i Joda" # Nentiny nanakaiky isan'olona ny fokon'i Zeraita Ny fehezanteny "isan'olona" dia fomba fiteny iray midika olona tsirairay. Ireo olona ao amin'ity fehezanteny ity dia lohany ao amin'ny tokantranony. D.H: "Nentiny nanakaiky ny olon'ny fokon'ireo Zeraita tsirairay" na "Avy amin'ireo fokon'ireo Zeranita, no nitondrany ny olona tsirairay izay lohany ao an-tokantranony" # ny fokon'i Zeraita Ny foko dia nomena anarana tao aorian'ny nanaomezana anarana an'i Zera. # Zabdia...Akana...Karmy...Zera Ireo dia anaran-dehilahy.