# Fampahafantarana amin'ny anakapobeny: Manohy ny resany mahakasika ny andron'i Tompo i Yaveh. # hipoiran'ny divay mamy amin'ny tendrombohitra "divay mamy hipoitra avy amin'ny tendrombohitra." Ity dia fanitarana iray hampisehoana fa ny tany dia mahavokatra. D.H: "Eo an-tendrombohitra dia hisy tanim-boaloboka izay hamokatra divay mamy betsaka" # ny havoana dia hikoriana ronono "hikoriana avy amin'ny havoana ny ronono." D.H: "hamokatra ronono betsaka eo an-kavoana ireo ondry aman'osy nareo" # ny lohasahan-driakan'i Joda rehetra dia hikoriana rano "ny rano hikoriana eo amin'ny lohasahan-driaka rehetran'ny Joda" # ny rano avy amin'ny Lohasahan'i Sitima. "handefa rano makany amin'ny lohasahan'i Akasia." "Sitima" dia anaran-toerana any amin'ny ilany atsinanan'ny Reniranon'ny Jordana. Izany dia midika "ireo hazo Akasia." # Ho tonga faharavana nilaozana i Egypta D.H: "Ho rava i Egypta ary dia handao izany ny olona" na "fahavalon'ny firenena handrava an'i Egypta ary ny vahoakan'ny Egypta hiala ny fireneny" # Edoma ho lasa efitra foana "Ho lasa tany efitra i Edoma ary handao izany ny olona" # noho ny herisetra natao tamin'ny olon'i Joda "noho ireo zavatra herisetran'i Egypta ary Edoma nanao tamin'ny olon'ny Joda." # satria nandatsaka ràn'olona tsy manan-tsiny tao amin'ny taniny izy ireo. "ràn'olona tsy manan-tsiny" dia maneho ireo olona tsy manan-tsiny izay novonoina. D.H: "satria namono olona tsy mana-tsiny tao amin'ny tanin'ny olon'ny Joda i Egypta sy Edoma."