# Hierona avy any Ziona Yaveh, ary hanandratra ny feony ao Jerosalema. Ireo andian-teny mitambatra ireo dia maneho amin'i Yaveh mihiaka mafy, feo mazava sy mahery avy any Jerosalema. Raha fiteny iray ihany no hanananao amin'ny fihikiahana dia afaka nampiasaina ho andian-teny iray izany. D.H: "Hihiaka mafy avy ao Jerosalema i Yaveh." # Hierona Yaveh, Mety midika hoe 1) "Hierona tahaka ny liona i Yaveh" na "Hierona tahaka ny kotroka i Yaveh." # Hiozongozona ny tany sy ny lanitra Ny fiheron'i Yaveh dia mahery ka hahatonga ny tany sy ny lanitra mitambatra hiozona. # Yaveh dia ho fialofan'ny olony, ary fiarovana mafy ho an'ny olon'Israely Ireo andian-teny roa ireo dia midika ny hiarovan'i Yaveh ny olony. Ny fiarovana dia fialofana mahery nampiasaina hiarovana ny olona mandritry ny ady. D.H: "Ho fiarovana mahery ho an'ny olony i Yaveh."