# Fampifandraisana ny foto-kevitra : Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh. # izy Ny teny "izy" dia manondro ilay soavaly. # Mitelina tany Mirimorimo ny soavaly ary tany izay handalovany dia heverina ho toy ny rano sotroin'ny olona. DH: "mirimorimo mafy amin'ny tany" # amin'ny fahavinirana sy fahatezerana Entanim-po mafy dia mafy ialy soavaly, ka mirifatra mafy sy amin-kery. # ny fanenon'ny anjomara Io dia azo lazaina fa misy olona mitsoka anjomara. DH: "rehefa misy olona mitsoka anjomara ho fanambarana fa manomboka ny ady" # tsy tafajanona amin'ny toerana iray izy "Entanim-po ny hijoro hatrany izy" # hoy izy hoe: 'Aha!' Ny teny "Aha" dia feo ataon'ny olona rehefa mahita zavatra izy ireo. Mibareoka ny soavaly satria mahita ady. # ny kotaba mafy Midika io fa mahare ireo zavatra ireo ilay soavaly. DH: "mahare ny kotaba mafy izy" # horakoraka "hiakiaka an'ady." Manana feo mnokana ny olona izay ataon'izy ireo an'ady mba hanehoany fa tena mahery sy mahasahy ary mba hampitahorana ny fahavalo.