# Fampifandraisana ny Foto-kevitra: Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh. # Iza no nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana ...ary aizim-pito ho fonony? Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "lazao Ahy izay nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana ....ary aizim-pito ho fonony." # nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana Yaveh dia mampitaha ny fomba namefeny ny ranomasina tsy handrakotra ny tany rehetra amin'ny fihazonana izany amin'ny varavarana. DH: "namefy ny rano tsy hitondraka eo amin'ny tany rehetra" (UDB) # raha nivoaka toy ny avy tao am-bohoka izany Yaveh dia mampitaha ny famoronany ny ranomasina amin'ny fiterahana. # fitafiany "ho fitafiana ho an'ny ranomasina" # ary aizim-pito ho fonony Ny anarana "aizina" dia azo adika ho mpamaritra "maizina." DH: "ary nanao ny raho-maizina ho fonony" # fonony lamba lavalava izay ampiasain'ny olona mba handrakofana ny zaza aorian'ny fahaterehany.