# Fampifandraisana ny Foto-kevitra: Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh. # Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Ny teny "-ny" dia manondro ny tany. # Tamin'ny inona no nametrahana ny fotony? Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "lazao Ahy izay nametrahana ny fotony." # Tamin'ny inona no nametrahana ny fotony DH: "tamin'inona no nametrahako ny fotony" # Iza no nametraka ireo vato fehizorony ...nihiaka-pifaliana ireo zanak'Andriamanitra rehetra? Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "lazao Ahy izay nametraka ny vato fehizorony rehefa ...nihiaka-pifaliana ireo zanak'Andriamanitra rehetra." # rehefa niara-nihira ny kintan'ny maraina ary nihiaka-pifaliana ireo zanak'Andriamanitra rehetra Ireo andalana roa ireo dia mitovy ara-kevitra. # rehefa niara-nihira ny kintan'ny maraina Ny kintan'ny maraina dia resahina toy ny mihira tahaka ny olona mihira. Ireo mety ho heviny dia: 1) ny "kintan'ny maraina" dia mitovy amin'y zanak'Andriamanitra" ao amin'ny andalana manaraka na 2) ny "kintan'ny maraina" dia manondro ny kintana eny amin'ny habakabaka # ireo zanak'Andriamanitra Io dia manondro ny anjely, eny an-danitra. Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny 1:6. # nihiaka fifaliana Ny anarana "fifaliana" dia azo adika ho tambinteny "amim-pifaliana." DH: "nihiaka tamim-pifaliana" # nihiaka-pifaliana "satria feno hafaliana izy ireo"