# tsy ho diso ireo teniko "tsy ho diso izay lazaiko" # olona matotra ao amin'ny fahalalana no eto aminao Ny teny hoe "olona" dia manondro ny tenan'i Eliho ihany. Miresaka ny maha manam-pahalalana toy ny hoe matotra amin'ny fahalalana izy. DH: "Izaho, izay miaraka aminao, dia tena manam-pahalalana" # Indro "Eny tokoa." Ny tany hoe "indro" eto dia manampy ny fanamafisana ny izay manaraka. # mahery amin'ny herin'ny fahazavan-tsaina Izy Ny andian-teny "mahery amin'ny hery" dia midika hoe "tena matanjaka." Eliho dia miresaka ny fahahalalan'Andriamanitra tsara ny zava-drehetra toy ny hoe tena mahery ny fahalalany. DH: "tena mahery amin'ny fahalalana Izy" na "mahalala tsara ny zava-drehetra izy"