# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Manohy ny fitenenany i Joba. # Efa nanao fanekena tamin'ny masoko aho DH: "Efa nianiana tamin'ny tenako aho fa tsy hijery ombam-pilàna ny vehivavy aho" # koa ataoko ahoana ny hijery ombam-pitsiriritana ny virijiny? Mampiasa i fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa tsy hanafoana ny fampanantenany mihitsy izy. DH: "Koa tsy hijery ombam-pitsiriritana ny virijiny mihitsy aho" # Fa inona no anjara avy amin'Andriamanitra ambony, ilay lova avy amin'ilay Tsitoha any amin'ny avo indrindra? Ireo dia midika zavatra mitovy. Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa tsy hanome na inona na inona azy Andriamanitra raha manota sy manafoana ny fampanantenany izy.