# Mitafy fahamarinana aho, ary nampitafy ahy izany Matetika fahamarinana dia resahin'ny olona toy ny hoe fitafiana. DH: "Nanao izay marina aho, ary izany tahaka ny akanjo notafiako" # ny fahamarinako dia toy ny akanjo lava sy satroka Matetika fahamarinana dia resahin'ny olona toy ny hoe fitafiana. DH: "Nanao rariny aho, ary izany dia tahaka ny akanjo lava sy satroka notafiako" # satroka lamba lava izay ahodidin'ny lehilahy amin'ny lohany ary satrohany. # Maso ho an'ireo olona jamba aho Io dia mampiseho ny fanampiana olona jamba. DH: "Tahaka ny maso ho an'ny olona jamba aho" na "nitarika ireo olona jamba aho" # tongotra ho an'ireo olona malemy aho Io dia mampiseho ny fanampiana olona kilemaina. DH: "toy ny tongotra ho an'ireo olona mandringa aho" na "nanohana ny olona mandringa aho" # Ray ho an'ireo olona ory aho Eto, ny "ray aho" dia mampiseho ny fanomezana ho an'ny olona. DH: "Nanome ho an'ireo olona ory tahaka ny ray manome ho an-janany aho"