# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Ao amin'ny 28:12-28, ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina dia resahina toy ny hoezava-tsarobidy izay amin'ny toerana sasany ka irin'ny olona ny hahita azy ireo. Ny fitadiavana fahendrena sy fahazavan-tsaina dia mampiseho ny fahatongavana ho hendry sy fianarana hahatakatra zavatra tsara. # Aiza no hahitana ny fahendrena? Aiza ny toeran'ny fahazavan-tsaina? Ireo fanontaniana ireo dia midika zavatra mitovy ary ampiasaina miaraka mba hanehoana fa tena sarotra ny fitadiavana fahendrena sy fahazavan-tsaina. DH: "Saingy tena sarotra ny fitadiavana fahendrena sy fahazavan-tsaina." # Aiza no hahitana ny fahendrena? Aiza ny toeran'ny fahazavan-tsaina? Ny fahatongavana ho hendry sy fahatongavan-tsaina dia resahina toy ny hoe fahitana fahendrena sy fahazavan-tsaina. DH: "Ahoana no hampahendry ny olona? Ahoana no hianarana mba hahatakatra zavatra tsara?" # Ny olona dia tsy mahafantatra ny vidiny Ireo mety ho heviny dia 1) ny fahendrena dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona vidina. DH: "Tsy mahalala izay mendrika ny olona" na 2) ny teny nadika hoe "vidy" dia midika hoe "toerana." DH: "tsy fantatry ny olona ny misy azy" # tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izany "ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izany." Ny "tanin'ny velona" dia manondro ny tontolo izay ipetrahan'ny olona. DH: "ary tsy misy olona afaka mahita fahendrena ao amin'izany toerana izany" # Ny rano lalina ... manao hoe: 'Tsy ato amiko izany'; ny ranomasina manao hoe: 'Tsy aty amiko izany.' Ny rano lalina sy ny ranomasina dia aseho toy ny hoe olona afaka miteny. DH: "Sady tsy ao amin'y rano lalina ambanin'ny tany, no tsy ao anaty ranomasina ny fahendrena"