# ny maty Io dia manondro ny olona maty. DH: "ireo izay maty" na "ny fanahin'ny maty" # mangovitra Mangovitra izy ireo satria matahotra an'Andriamanitra. Io dia azo adika mazava. DH: "mangovitry ny tahotra" na "mangovitra ny amin'ny fatahorana an'Andraiamanitra" # ireo izay any ambany rano Io dia milaza ny amin'ireo olona maty izay mangotra. # ireo rehetra izay mitoetra ao amin'izany Io dia milaza ny amin'ireo olona maty izay mangovitra. Ny teny hoe "izany" dia manondro ny rano. # Mitanjaka eo anatrehan'Andriamanitra ny Fiainan-tsy hita; ny faharavana mihintsy no tsy misy fanaronana aminy Ny Fiainan-tsy hita dia resahina toy ny hoe olona. Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy dika. Ny "fitanjahana" na ny "tsy fananana firakofana" dia fisehoana tanteraka ary tsy afaka manafina na inona na inona. DH: "tahaka ny Fiainan-tsy hita mitanjaka eo anatrehan'Andriamanitra, tsy misy izay any amin'ny Fiainan-tsy hita, izay toeran'ny faharavana, ka miafina amin'Andriamanitra" # faharavana Io anarana hafa ho an'ny Fiainan-tsy hita. DH: "ny toeran'ny faharavana"