# Fampifandraisana ny foto-kevitra : Manohy ny fitenenany i Joba. # Kotsan'ny eriky ny tendrombohitra izy ireo "lena izy ireo rehefa manorana ny eny an-tendrombohitra" # manaisotra ireo kamboty eo an-tratran-dreniny Ny "tratra" eto dia manondro ny reny. Io dia milaza an-kolaka fa tena mbola zaza ireo kamboty. Azo adika mazava io. DH: "manaisotra ireo zaza kamboty eo an-tanan-dreniny" na "ireo ankizy tsy manan-dray eo amin'ny reniny" # kamboty Amin'ny ankapobeny, io dia manondro ireo zaza tsy manana ray aman-dreny. Eto, na izany aza, dia ampiasaina ho an'ireo zaza izay manana reny fa tsy manana ray. # maka ireo zaza ho fiarovana amin'ny olona mahantra "maka ireo zanak'olona mba ho antoka fa ireo olona mahantra dia hamerina ny vola oizay nindraminy tamin'ireo olona ratsy fanahy" # ho fiarovana Ny mpampindrana dia maka zavatra avy amin'ny mpindrana mba hahzoany antoka fa hanefa ny azy ilay mpindrana. Adikao tahaka ny tao amin'ny 24:2. # mandehandeha "mirenireny" # mitanjaka tsy mitafy Ny teny hoe " tsy mitafy" dia mitovy midika amin'ny hoe "mitanjaka." DH: "mitanjaka tanteraka" na "mitanjaka satria izy ireo dia tsy manan-ko tafiana." # izy ireo, dia milanja ny amboaram-barin'ireo hafa Io dia midika fa ny asan'izy ireo dia manome sakafo ho an'ny hafa fa tsy ho an'ny tenan'izy ireo.