# Fampifandraisana ny foto-kevitra : Manohy ny fitenenany i Joba. # ireo olona mahantra ireo dia mivoaka miasa tahaka ny boriki-dia any amin'ny tany hay, mitady sakafo fatratra Ireo olona mahantra ireo dia resahina toy ny hoe boriki-dia izay tsy mahalala izay hahitan'izy ireo sakafo. DH: "ireo olona mahantra ireo dia mivoaka mba hitady sakafo tahaka ny boriki-dia any amin'ny tany efitra" # boriki-dia "boriky izay tsy manana n'iza n'iza mikarakara" # Ny olona mahantra dia mijinja ... amin'ny alina; mitsimpona ny voaloboka Ireo andalan roa ireo dia milaza zavatra mitovy ary ampisaina miaraka mba hanamafisana fa ireo olona mahantra ireo dia voatery mangalatra sakafo amin'ny alina. # Mandry mitanjaka ...tsy manana firakofana izy ireo Ireo andalan roa ireo dia milaza zavatra mitovy ary ampisaina miaraka mba hanamafisana fa ireo olona mahantra ireo dia tsy manana lamba ampy mba hanafanana vatana.