# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Manohy miteny i Bildada ary mampiasa sarin-teny mitovy telo mba hanositsoritana ny fisedran'ny olona rasty fanahy loza tsy ampoizina. # Hisy fandrika hahazo azy...ny fandrika...Misy fandrika iray...ary fandrika iray ho azy eo amin'ny lalana Ireo andian-tenhy efatra ireo dai miresaka ny olona ratsy fanahy miaina anaty loza toy ny hoe tratran'ny fandrika izy. DH: "Ho toy ny hoe misy fandrika hahazo azy ...ny fandrika ...Misy fandrika iray ...ary fandrika iray ho azy eo amin'ny lalana" # fandrika Nampiasain'ny olona io karazana fandrika io io mba hisamborana vorona. Nandrapaka sy nanidy ary nifatotra eo amin'ny tongotr'ilay vorona. # hahazo azy amin'ny kitro Eto, ny "kitro" dia manondro ny tongotra iray manontolo. DH: "hihazona azy amin'ny tongony" # Misy fandrika iray miafina ho azy eo amin'ny tany DH: "misy manafina fandrika amin'ny tany mba hisamborana azy" # fandrika vela-tady izay mandrapaka ny tongotry ny biby rehefa mamindra eo afovoan'ilay vela-tady ilay biby # fandrika iray ho azy Ny teny tsy ampy dia azo tovanana. DH: "ary misy fandrika iray miafina eo amin'ny lalana mba hisamborana azy" na "ary hisy olona hanafina fandrika mba hisamborana azy eny amin'ny lalany" # Hampatahotra azy ny fampihorohoroana amin'ny sisiny rehetra "Hampitahotra azy ny horohoro manodidina" # hanenjika azy amin'ny kitrony izy ireo Io dia miresaka ny zavatra izay mampitahotra ny olona ratsy fanahy toy ny hoe misy fahavalo mihaza azy. DH: "Ny mpampihorohoro manodidina no hihaza azy"