# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manohy miteny i Joba. # mijery ny fiainan-tsy hita toy ny tranoko aho Ny "mijery" zavatra iray amin'ny fomba toy izany dia midika fa "misaina" izany amin'izany fomba toy izany. DH: "misaina ny Fiainan-tsy hita toy ny tranoko aho" na "ankehitriny heveriko ho toy tranoko ny Fiainan-tsita" # nampiely ny fandriako tao amin'ny aizina aho Ny fahavononan'i Joba ny ho faty eto dia resahina toy ny hoe mamelatra ny fandriany ao amin'ny aizina. DH: "efa nanomana ny tenako handeha ka handry ho isan'ireo maty" # niteny tamin'ny lavaka aho...ary tamin'ny kankana Ireo andalana roa ireo dia fiovaovana eo amin'ny samy izy ary ampiasaina mba hanamafisana ny famoizam-pon'i joba. # lavaka "fasana" # Raiko ianao Miresaka ny fanakaikezany tsy ho ela ny fasany i Joba amin'ny alalan'ny fampitahana izany amin'ny fanakaikezan'ny olona iray ny rainy. DH: "Akaiky ahy toy ny raiko ianao" na "Rehefa voalevina aho dia ho akaiky ahy toy ny raiko ianao" # ny kankana Ny kankany dia zava-boaary madinika izay mihinana ny vatana rehefa maty. # Reniko na anabaviko ianao Miresaka ny fanakaikezany tsy ho ela ny kankana ao am-pasany i Joba amin'ny alalan'ny fampitahana izany amin'ny fanakaikezan'ny olona iray ny reniny sy ny anabaviny. DH: "Akaiky ahy toy reniko sy ny anabviko ianao" na "Ho akaiky ahy toy ny reniko na ny anabaviko ianao" # dia aiza ary izany ny fanantenako? Ny valin-teny miafina dia "tsy aiza tsy aiza," satria tsy manana fanantenana izy. Io fanontaniana fampisaianana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy manam-panantenana aho" # Raha ny fanantenako, iza no hahita izany? Io fanontaniana fampisainana io dia ampiasaina mba hanamafisana fa tsy misy manatena azy ho manana fanantenana. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy misy mahita fanantenana ho ahy" na "tsy misy manantena ahy ho manana fanantenana intsony"