# Nahoana no mitondra anao hivily ny fonao? Ny "fo" eto dia mampisehony fihtsem-pon'ny olona. DH: "Nahoana no mitondra anao hivily ny fihetsem-ponao?" na "Nahoana no avelanao hibaiko ny fanapaha-kevitrao ny fihetsem-ponao?" # nahoana ianapo no mipipi-maso Mety manondro ny fahatezeran'i Joba io, indrindra indrindra ny fisehon'ny masony. DH: "Nahoana no tezitra ny masona" na "Nahoana ianao no tezitra" # mihodina...fanahinao Ny "fanahy" eto dia manondro ny tenan'ny olona iray manontolo. DH: "mihodina...ny tenanao" # mamoaka teny toy izany avy amin'ny vavanao Io dia mamaritra azy miteny. DH: "ary miteny zavatra masiaka manohitra azy ianao" # Inona moa ny olona no tokony hadio? Ireo fanontaniana roa ireo dia mitovy amin'ny ankapobeny ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa tsy mety tonga lafatra ny olona. # Inona moa ny olona no tokony hadio? Io fanontaniana fampisainana io dia anontaniana mba hanamafisana fa ny olona tsy ho àry "hadio" tanteraka. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Ny olona iray, tsy ho àry hadio tanteraka izy." # hadio Ny olona iray izay heverin'Andriamanitra fa azo ekena ara-panahy dia resahina toy ny hoe olona izay madio ara-batana. # Inona moa izay natera-behivavy no tokony ho marina? Io fanontaniana fampisainana io dia anontaniana mba hanamafisana fa ny olona tsy ho àry "marina" tanteraka. Io ia azo soratana ho fanambarana. DH: "Ny olona izay natera-behivavy dia tsy ho àry marina tanteraka."