# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany aminAndriamanitra i Joba. # hamaly Anao aho "hanohina aho" # Hanam-paniriana amin'ny asan'ny tananao Ianao Ny anarana "faniriana" dia azo adika amin'ny matoanteny "maniry" na "mitady" DH: "haniry Ianao" na "hitady ahy ianao" # amin'ny asan'ny tananao Ianao Eto, ny tanan'Andriamanitra dia mampiseho ny fanaovany zavatra. Joba dia manondro ny tenany ho asan'ny tanan'Andriamanitra. DH: "ahy, izay namboarinao" # Hanisa sy hiahy Ireo matoanteny roa ireo miaraka dia maneho fihetsika iray. DH: "Miahy tsara" # ny diako Ny "dia" dia mampiseho ny fiainany na ny zavatra ataony. DH: "ny fiainako" na "ny zavatra ataoko" # tsy hisaina...Ho voahisy...hanarona Ireo andalana telo ireo dia maneho eritreritra mitovy ary ampiasaina miaraka mba hanamafisany ny fahatokisany fa Andriamanitra dia hamela azy. # tsy hitazona ny fahotako Ianao Ny fitazomana ny fahotan'i Joba dia maneho ny fiheverana ny fahotany. DH: "tsy hijery ny fahotako ianao" na "tsy hisaina ny fahotako ianao" # ary hanarona ny heloko Ianao. Fanafenana zavatra meloka mba tsy hita dia mampiseho ny fandavana ny hieritreritra izany. DH: "Hanafina ny heloko Ianao" na "tsy hiraharaha ny heloko Ianao"