# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny : Manohy ny firesahana amin'Andriamanitra i Joba. # Indro ankehitriny Io dia manamafy izay manaraka. "henoy ankehitriny" na "Mba henoy tsara tompoko" # efa nalahatro tsara ny fiarovan-tenako Ny fandaharana fiarovan-tena dia mampiseho ny fanapahan-kevitra ny amin'izay ho lazainy mba hiarovany tena. DH: "Efa noheveriko izay fomba hiarovako tena" na "Efa nanapa-kevitra ny amin'ny fomba hanazavako ny fiarovan-tenako aho" # Iza ilay iray izay hiady amiko eo amin'ny fitsaràna? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny finoany fa satria izy marina, dia tsy misy handahatra hanohitra azy. DH: "Tsy mino aho hoe hisy handahatra hanohitra ahy eo amin'ny fitsarana" # Raha tonga hanao izany Ianao "raha tonga mba handahatra hanohitra ahy ianao" # Ianao "ianao" eto dia midika ny tenan'Andriamanitra. # ka raha voaporofo fa diso aho "raha manaporofo ahy fa diso ianao" # hahafoy ny aiko Ny famoizan'aina dia sarin-tenin'ny fahafatesana. DH: "maty"