# Fampifandraisana ny Foto-kevitra: Manohy ny fitenenany amin'ireo namany i Joba. # henoy ny fiangavian'ny molotro Eto, ny "molotra" dia mampiseho ny olona miteny. DH: "mihinoa ny fitalahoan'ny tenako" # Hiteny amin'ny tsy fahamarinana... amim-pitaka ho Azy? Mampiasa ireo fanontaniana roa ireo i Joba mba hitenenenany mafy ireo namany ny amin'ny fitenenana tsy amim-pahamarinana. DH: "Mihevitra ianareo fa miresaka amin'Andriamanitra, kanefa miresaka tsy amim-pahamarinana ianareo. Miresaka amim-pitaka ianareo" # miteny amim-pitaka "mandainga" na "milaza lainga" # Tena hiady...mba ho vavolombelon'Andriamanitra? Ny fanehoana fahatsorana amin'Andriamaitra dia mampiseho fanampiana an'Andriamanitra na fiarovana an'Andriamanitra mba hanoherena fitarainan'i Joba. Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Joba mba hitenenany mafy ireo namany ny amin'ny fiheverana fa afaka miaro an'Andriamanitra izy ireo. DH: "mihevitra ianareo fa afaka miaro an'Andriamanitra. Mihevitra ianareo fa afaka mifandahatra amin'Andriamanitra toy ny vavolombelona eo amin'ny fitsarana"