# Nefa hevero fa efa nametraka tsara ny fonao ianao Ny fo dia mampisehoi eritreritra na fahazarana. Mametraka izany tsara dia maneho fanitsiana azy. DH: "eny na dia efa nanitsy ny fonao aza ianao" # ary efa nanatsotra ny tananao ho amin'Andriamanitra Io dia asa famantarana maneho ny fangatahana fanampiana amin'Andriamanitra. DH: "ary efa nampiantso ahy sy nampivavaka ahy tamin'Andriamanitra" # hevero hoe eo an-tananao ny heloka Ny tanana dia mampiseho izay ataon'ny olona. DH: "eny na dia efa nahavita zava-dratsy aza ianao taloha" # nefa avy eo dia nohalavirinao lavitra anao izany Mametraka ny fahotana any oriana dia mampiseho fitsaharana amin'ny fahotana. DH: "kanefa avy eo dia nitsahatra tamin'ny fanaovan-dratsy ianao" # tsy namela ny tsy marina hipetraka ao an-dainao ianao Ny tsy fahamarianana mitoetra dia mampiseho olona manao zavatra tsy marina. DH: "ary tsy namela ireo mpikamban'ny tokantranonao hanao zavatra tsy marina ianao"