# Fampahafantarana amoin'ny Ankapobeny: Amin'ireto andininy ireto, mampiasa fiteny toa tononkalo i Joba mba hanoritsoritana ny fomba nanamboaran'Andriamanitra azy tao an-kibo. # Moa tsy efa nandraraka ahy toy ny ronono sy nampandry ahy toy ny fromazy ve ianao? Io dia fanontaniana io dia mitaky valin-teny tsara. DH: "Nandraraka ahy toy ronono ianao ary nampandry ahy toy ny fromazy." na "tahaka ny ronono lasa fromazy no nanaovanao ahy tao an-kibo." # ianao Ny "Ianao" eto dia manondro an'Andriamanitra. # aho Ny "aho" eto dia manondro an'i Joba # Notafianao tamin'ny hoditra sy nofo aho Nanisy nofo sy hoditra tamin'ny vatan'i Joba tahaka ny nampiankanjoany azy Andriamanitra. DH: "Nanisy hoditra sy nofo tamin'ny vatako ianao" # nampiraisinao "nanambatra ahy." Ny fametrahan'Andriamanitra an'i Joba tao an-kibo dia resahina toy ny hoe nampiray na nanenona poti-damba Andriamanitra. DH: "Nanambatra ahy" # ozatra Io dia faritra amin'ny vatana izay manambatra ny nofo sy ny taolana na faritra hafa amin'ny vatana ary manahirana, fehy fotsifotsy na kofehy.