# Fanamarianana amin'ny Ankapobeny: Isaky ny andininy amin'ny teniny dia mampita hevitra iray amin'ny fanambarana roa samihafa i Biladada, voalohany mba hitenenana mafy an'i Joba sy ary eo hiarovana an'Andriamanitra. # Dia namaly Bildada ilay Sohita " Bildada" dia anaran-dehilahy izay isan'ny fokon'i Sohia. # Mandra-pahoviana ny teny aloaky ny molotrao no ho lasa rivotra mahery? Mametraka io fanontaniana io i Bildada mba hitenenana mafy an'i Joba amin'ny fitarainany amin'Andriamanitra. Amin'io sarin-teny io, Ny tenin'i Joba sy ny rivotra dia samy zava-poana sy malemy. DH: "Ireo tenin'ny vavanao dia rivo-mahery." # Mamadika ny rariny ve Andriamanitra? Mamadika ny fahamarinana ve ny Tsitoha? Eto dia mpanoratra dia mampiasa fanontaniana fampisainana mitovy, izay apetrak'i Bildada mba hitenenana mafy an'i Joba. DH: "Tsy manao zavatra tsy ara-drariny Andriamanitra; mahomby amin'ny fanaovana ny rariny ny Tsitoha."