# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny : Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana fa ny fahorian'ny tenany manokana dia anisan'ny fahoriana izay iainan'ny olona rehetra ihany. # Moa ve ny olona tsy manana asa mafy eto an-tany? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana ny fahafantarany fa ny olona rehetra dia miaina fahoriana. DH: "Moa ve tsy manana asa mafy avokoa ny rehetra eto an-tany" na "Samy manana asa mafy ny rehetra" # Moa ve ny androny tsy mitovy amin'ny andron'ny lehilahy iray nokaramaina? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana ny fahafantarany fa samy mitolona amin'ny fiainana ny olona rehatra. DH : "ary ny androny dia tahaka ny andron'ny olona mpikarama." # Toy ny andevo...toy ny lehilahy iray mitady ny karamany Mampitaha ny tenany amin'ireo izay miasa mafy tsy misy fanohanana (andininy faha 3) # ny aloky ny hariva "alokaloka" # lehilahy iray nokaramaina Io dia lehilahy izay miasa iray andro ary homena karama isaky ny firavana. "indray andron'ny mpiasa" # dia natao mba hiaritra ny volan'ny fahoriana aho; efa nomena alina feno fikorontanana aho "koa miaritra ny volan'ny mosary sy ny alina feno fikorontanana aho" # volan'ny mosary "volana feno loza" na "volana foana"