# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny : Ato amin'ireto andininy ireto, mametraka fanontaniana efatra i Joba mba hitenenany mafy ireo namany sy mba hanamafisany fa tsy nila fanampiana tamin'izy ireo izy. # Fa ankehitriny Mampiasa io andian-teny io i Joba mba hampidirany ny vontoatin'ny zavatra lazainy. # ianareo namako dia tsinontsinona amiko "tsy toy ny hoe namako ny fihetsikareo" # ka matahotra "ary matahotra ianareo fa hanao zavatra toy izao aminareo Andriamanitra." (UDB) Ny UDB dia manazava ireo fampahafantarana fa ireo namany dia matahotra ny hanasazin'Andriamanitra azy ireo. # Niteny taminareo ve aho hoe: 'omeo zavatra aho?' DH: "tsy nangataka zavatra taminareo aho." # Hanolory fanomezana avy amin'ny harenareo aho? DH: "Tsy nangataka vola taminareo aho." na "tsy niangavy anareo mba hanome avy amin'ny fananareo ho ao amin'ny kaontiko aho." # 'Avoty amin'ny tanan'ireo fahavaloko aho? "Ny tanan'ny fahavaloko" dia sarin-teny dia maneho tanjaky ny olona izay manohitra mafy an'i Joba. DH: "Tsy mbola niteny na ny iray taminareo mba hamonjy ahy amin'ireo fahavaloko aho" # Afaho amin'ny tanan'ireo mpampahory ahy aho? "Ny tanan'ireo mpampahory" dia sarin-teny izay midika ho tanjaky ny olona izay nampijaly an'i Joba. DH: "tsy niteny anareo mba hanavotra ahy eo an-tanan'ireo ireo izay nampijaly ahy aho." # Afaho aho "Avoty aho"