# Fampahafantarana amain'ny Ankapobeny Mampiasa fampitoviana isaky andininy ny mpanoratra mba hanaovan hevitra iray amin'ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana: 1) ny fanampiana izay nomen'i Joba ireo hafa taloha, 2) ny vokatr'ireo fahavoazana mahazo azy ankehitriny, 3) ny fivavahany teo anatrehan' Andriamanitra. # nihazona Ny olona nampaherezina dia resahina toy ny hoe notazomina mba tsy ho lavo. # nianjera Ny fahaketrahana eto dia resahin toy ny hoe fianjerana # efa nohamafisinao ny malemy lohalika Ny fahakiviana eto dia resahina toy ny hoe olona malemy lohalika izay tsy afa-miarina. # Kanefa izao tonga aminao ny fahoriana Ny fahoriana eto dia resahinana toy ny hoe zavatra iray tonga amin'olona iray. DH: " Fa miijaly noho'ny loza ianao." # ketraka ianao "kivy ianao" # ny fahatahoranao "ny fanomezanao voninahitra an' Andriamanitra" # Moa tsy ny fahatahorana no tokinao, ary ny fahitsian'ny lalanao no fanantenanao? Manontany io fanontaniana io i Elifaza mba hitenenana an'i Joba fa ny fahotany no mahatonga azy hijaly. DH: "Mihevitra ny rehetra fa manome voninahitra an'Andriamanitra ianao; mihevitra ny rehetra fa lahilahy marina ianao. Fa tsy voatery ho marina ireo , satria tsy matoky an'Andriamanitra intsony ianao. # ny fahatahorana Ny fahatahoran'i Joba an' Andriamanitra no tian'ny Elifaza lazaina. DH: "ny fahatahoranao an'Andriamanitra" # lalanao Ny "lalanao" eto dia mampiseho ny "fitondran-tenanao," "manao ahoana ny fitondran-tenanao."