# Hoditra takalon'ny hoditra; eny tokoa "Hoditra" dia fanoharana ny fiainan'i Joba. DH: "Hanao izay zavatra rehetra ny olona iray mba hamonjeny ny ainy, eny fa na dia hamoizany ny fananany sy ilay tiany aza." # Fa ahinjiro ny tananao izao ary kasiho ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo amin'ny tavanao izy Mihevitra i Satana fa raha mamely an'i joba Yaveh, dia ho hitany izay havalin'i Joba. DH: "Fa ankehitriny, raha maninjitra ny tananao ianao ka mikasika ny taolany sy ny nofony, dia ho hitanao fa hanozona anao amin'ny tavanao izy" # ahinjiro ny tananao Ny "tanana" eto dia manondro ny herin'ny asan'Andriamanitra. "Fa ankehitriny ampiasao ny herinao ." Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:9. # kasiho Ny "kasiho" eto dia mampiseho ny fampijaliana. DH: "velezo" # ny taolany sy ny nofony Io fomba fiteny io dia mampiseho ny tenan'i Joba. # hanozona anao eo amin'ny tavanao Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:9 # eo amin'ny tavanao Io dia manondro ny fotoana hiainoan'Andriamanitra. DH: "eo am-pandrenesanao"