# Fampahafantara amin 'ny ankapobeny: Ity andininy ity dia mitovy amin'ny 1:6, afa-tsy ny fanampiny hoe "Mbola mihazona ny fahitsiany hatrany izy, na dia efa namily lalana Ahy hanohitra azy aza ianao, mba hamotika azy tsy amin'ny antony." # Moa ve efa nandinika an'i Joba mpanompoko Ianao? Ity fanontaniana fampisainana ity dia manao fanambarana raha ny marina. Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:6. DH: "Hevero i Joba mpanompoko." # lehilahy tsy misy tsiny sady marina Adikao tahaka ny nataonao tamin'ny andian-teny mitovy ao amin'ny 1:1. # matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:1. # mbola mihazona ny fahitsiany hatrany izy "mifikitra tanteraka amin'ny fanaovana ny tsara sy ny marina" # namily lalana Ahy "nandresy lahatra Ahy hamely azy tsy amin'antony" # mba hamotika azy Ny "mamotika" eto dia maneho "fampahantrana." DH: "mampahantra azy"