# ny andro izay Io dia andro tsy voafaritra. Matetika isehoan'ny fiangonana. DH: "tamin'ny fotoana izay" na "ilay andro izay" # ireo zanak'Andriamanitra Io dia manondro ireo anjely, any an-danitra. # mampiseho ny tenan'izy ireo eo anatrehan'Yaveh "miara-mijoro eo anatrehan'Yaveh araka izay nandidiany azy ireo hatao" # avy nirenireny teto an-tany, nivezivezy teo aminy Ny andian-teny hoe "mirenireny" sy "nivezivezy" dia manondro ireo fihetsika mitovy mba hanamafisana ny fahafenoany. DH: "Avy taiza sy taiza teto an-tany." # Yaveh Io dia anarana izay nasehony ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejy fandikan-teny mahakasika an'i Yaveh momba ny handikana azy. # avy nivezivezy tao aminy "mivezivezy" dia manondro fitsangatsanganana manerana ny tany. # Efa nandinika an'i Joba mpanompoko ve ianao? "Efa nihevitra ny amin'i Joba mpanompoko ve ianao?" Eto Andriamanitra dia manomboka miresaka mahakasika an'i Joba amin'ni Satana. "Hevero i Joba mpanompoko;" # lehilahy tsy misy tsiny sady mahitsy Adikao tahaka ny tao amin'ny 1:1 # izay matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:1